Communiqué MAE Madagascar Fanadihadiana mikasika ny fandroahana malagasy any Kaomôro Manoloana ireo resaka samihafa miparitaka a...
Communiqué MAE Madagascar
Fanadihadiana mikasika ny fandroahana malagasy any Kaomôro
Manoloana ireo resaka samihafa miparitaka any anaty tambajotra sôsialy tato ho ato, mikasika ny famerenana ireo teratany malagasy any Kaomôro, ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny malagasy dia mampahafantatra antsika fa efa mandeha ny fanadihadiana momba ity toe-draharaha ity. Misy araka izany, ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any an-toerana hamotorana ny tena zava-misy marina.
Araka ny fifanakalozam-baovao niarahana tamin’ireto farany àry, dia fantatra fa ny ampahany amin’ireo teratany malagasy voakasik’ity raharaha ity dia tsy manana ny taratasy fahazoan-dalana hiditra sy hivahiny any an-toerana. Ny sasany amin’izy ireo kosa, dia manana izany taratasy fahazoan-dalana izany mazava tsara, saingy tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy hiverenany an-tanindrazana, izay marihina etoana fa tsy maintsy hananana eo am-pelatanana mandrakariva mandritra ny fotoana hivahinianana any ivelany.
Taorian'ny fifampidinihana teo amin'ny Firenena roa tonta, dia mitohy hatrany ny fanadihadiana any Kaomôro sy eto Madagasikara, mba hanazavana ny toe-draharaha sy hiantohana ny fanarahan-dalàna ary ny fampiharana ireo fitsipika mifehy ity resaka fandroahana ity.
Ankoatr’izay, dia misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny governemanta roa tonta, mba hampitsaharana ny fisian'ny fanondranana olona antsokosoko, sy ny fifindra-monina tsy ara-dalàna izay mahazo vahana tato ho ato.
Enquête sur les expulsions des Malagasy aux Comores
Face aux informations qui circulent sur les réseaux sociaux, ces jours-ci, sur le refoulement de ressortissants malagasy aux Comores, le Ministère des Affaires étrangères tient à informer qu’une enquête est actuellement en cours en collaboration avec les autorités comoriennes afin d’établir la vérité des faits.
Il ressort ainsi des échanges avec les autorités comoriennes qu’une partie des ressortissants malagasy concernés par ces mesures a été refoulée faute de visa. Par ailleurs, d’autres personnes sont effectivement détentrices de visa mais ne disposent pas d’un titre de voyage retour. En effet, l’existence de ce titre de voyage est requise pour tout voyage de court séjour à l'étranger.
Après consultation entre les deux pays, les enquêtes continuent tant aux Comores qu'à Madagascar afin d'éclaircir la situation et assurer le respect des réglementations en vigueur en cas d'expulsion.
De surcroit, les deux Gouvernements collaborent dans le cadre d’une coopération étatique afin d’endiguer le phénomène de traite de personnes et la migration clandestine qui sévit notamment dans la région.
COMMENTAIRES